Fivoasana ny Evanjely

Ny Andron'ny Tompo
ALAHADY FAHA-18 MANDAVANTAONA TAONA D
Publiť par Njara Pascal dans Soratra Masina • 31/07/2010 19:45:57

Tsy miankina aminíny habetsahaníny fananany ny ainíny olona.

ďFamintinana marina tokoa ny Evanjely manontolo ny Fivavahaníny TompontsikaĒ. ďTaminíny nampitaníny Tompo ho antsika io rijan-tenim-pivavahana io, dia nampiany hoe : ďMangataha, dia hahazo ianareoĒ (Jo 16,24). Ny tsirairay ŗry dia samy afaka manondrotra vavaka samihafa any an-danitra araka ny ilainy, nefa ny anombohana lalandava izany dia ny Vavaky ny Tompo, izay mitoetra ho vavaka fototraĒ. (KFK 2761)
Ambaraníny Katesiziníny Fiangonana Katolika, aminíny famintinana ny Fizarana fahatelo mikasika ny fiainam-pinoana fa Ny faniriana ny fahasambarana tena izy no manafaka ny olombelona aminíny firaiketam-po tafahoatra aminíny hareníity tany ity, mba ho tanteraka ao anatiníny fahitana sy hasambaraníAndriamanitra izany. ďMihoatra ny hasambarana rehetra ny fampanantenana hahita aní Andriamanitra. Ao aminíny Soratra Masina, ny hoe mahita dia mahazo no heviny. Ilay izay mahita aníAndriamanitra dia nahazo ny soa rehetra izay azony nosaintsaininaĒ (Grťgoire de Nysse). Saingy aminíny andavanandrom-piainana dia tsy izany loatra no miseho.
Zava-poana dia zava-poana hoy ny Mpitoriteny (Mpitory 1, 2-23) zava-poana ny hisasarana raha tsy ho fanorenana izay maharitra mandrakizay. Izany no amafisiníi Md Paoly aminíny taratasiny hoe : katsaho ny zavatry ny lanitra (Kol 3, 1-11). Izany fikatsahana ny zavatry ny lanitra iznay anefa dia tsy mamela antsika hidonanam-poana fa kosa hamono ny rantsam-batana, dia ny an'ny ety an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filan-dratsin'ny nofo izay fanompoan-tsampy; fa izany rehetra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsy finoana.
Miankina aminíizay heverintsika ho harena anefa izany. Ilay olona nangataka taminíi Jesoa ho vavolombelona aminíny fizarana ny lova, dia manambara antsika ny toetsaina indraindray mahazo antsika koa, izany hoe manao aníi Kristy sy ny fiangonany ho antom-pivelomana. Mitamberina ato an-tsaiko ny teniníi ED Andriamalala, anisaníny olomanganíny fanoratana nianarana fahiny tao aminíny Ilay vohitry ny Nofy hoe : raha hadihadiana ny loharanoníny harem-be rehetra dia loto sy fotaka avokoa no miboiboika avy ao.
Soa ihany fa tsy miankina aminíizay fananany ny ainíny olona. Fiononana ho aníny mahantra izany, na dia fijaliana ihany koa aza ny tsy fahampiana. Ambaraníi Jesoa mazava anefa fa ny harena ao aminíAndriamanitra ihany no maharitra mandrakizay. Ny vavaka nandritra ny herinandro mivalona iny dia mampahatsiaro antsika ny tokony hampirÚna mandrakariva ny saina amam-panahy aminíny fikatsahana ny hareníny lanitra na dia miondrika mampias any zava-mandalo aza.
Toa zary nofy anefa ny haremm-panahiníny Ntaolo, milaza fa aleo very tsikalakalam-bola, toy izay very tsikalakalam-pihavanana. Indrisy fa ny vola no maha-rangahy ka te ho rangahy avokoa isika rehetra, dia adino fa ny rangahy koa mety hiaraníny fahafatesana. Loza!
Hifampitondra am-bavaka isika mba hahaizantsika mandalanjanja ny fampiasana ny hareníny tany, ho tonga rakitra maharitra ho lovaina any aminíny mandrakizay.



Ampianaro mivavaka izahay....
Publiť par Njara Pascal dans Serasera • 24/07/2010 10:04:53
ALAHADY FAHA-17 MANDAVANTAONA
Publiť par Njara Pascal dans Soratra Masina • 23/07/2010 11:52:16
Fifampizarana alahady
Publiť par Njara Pascal dans Soratra Masina • 16/07/2010 23:49:37
Ankalazao ny Tompo